1. Beloved, believe not every spirit, but try the spirits whether they are of God: because many false prophets are gone out into the world.
1. "Bien-aimés, n`ajoutez pas foi à tout esprit; mais éprouvez les esprits, pour savoir s`ils sont de Dieu, car plusieurs faux prophètes sont venus dans le monde."
1. Ry malala, aza mino ny fanahy rehetra, fa izahao toetra ny fanahy, na avy amin’Andriamanitra ireny, na tsia, satria maro ny mpaminany sandoka efa lasa any amin’izao tontolo izao.
2. Hereby know ye the Spirit of God: Every spirit that confesseth that Jesus Christ is come in the flesh is of God:
2. "Reconnaissez à ceci l`Esprit de Dieu: tout esprit qui confesse Jésus Christ venu en chair est de Dieu;"
2. "Izao no ahafantaranareo ny Fanahin’Andriamanitra: Ny fanahy rehetra izay manaiky fa efa tonga tamin’ny nofo Jesosy Kristy no avy amin’Andriamanitra;"
3. And every spirit that confesseth not that Jesus Christ is come in the flesh is not of God: and this is that spirit of antichrist, whereof ye have heard that it should come; and even now already is it in the world.
3. et tout esprit qui ne confesse pas Jésus n`est pas de Dieu, c`est celui de l`antéchrist, dont vous avez appris la venue, et qui maintenant est déjà dans le monde.
3. "Ary ny fanahy rehetra izay tsy manaiky fa tonga tamin’ny nofo Jesosy Kristy dia tsy avy amin’Andriamanitra; ary izany no ilay fanahin’ny antikristy, izay efa renareo fa ho avy, sady efa eo amin’izao tontolo izao sahady ankehitriny."
4. Ye are of God, little children, and have overcome them: because greater is he that is in you, than he that is in the world.
4. Vous, petits enfants, vous êtes de Dieu, et vous les avez vaincus, parce que celui qui est en vous est plus grand que celui qui est dans le monde.
4. Rankizy madinika, ianareo dia avy amin’Andriamanitra, ary efa naharesy ireny satria lehibe lavitra Izay ao aminareo noho izay ao amin’izao tontolo izao.
5. They are of the world: therefore speak they of the world, and the world heareth them.
5. "Eux, ils sont du monde; c`est pourquoi ils parlent d`après le monde, et le monde les écoute."
5. Avy amin’izao tontolo izao ireny ka dia miteny araka ny an’izao tontolo izao izy, ary mihaino azy izao tontolo izao.
6. We are of God: he that knoweth God heareth us; he that is not of God heareth not us. Hereby know we the spirit of truth, and the spirit of error.
6. "Nous, nous sommes de Dieu; celui qui connaît Dieu nous écoute; celui qui n`est pas de Dieu ne nous écoute pas: c`est par là que nous connaissons l`esprit de la vérité et l`esprit de l`erreur."
6. "Avy amin’Andriamanitra izahay: izay mahalala an’Andriamanitra no mihaino anay; izay tsy avy amin’Andriamanitra tsy mba mihaino anay. Izany no ahafantarantsika ny fanahin’ny fahamarinana sy ny fanahin’ny fahadisoan-kevitra;"
7. Beloved, let us love one another: for love is of God; and every one that loveth is born of God, and knoweth God.
7. "Bien-aimés, aimons nous les uns les autres; car l`amour est de Dieu, et quiconque aime est né de Dieu et connaît Dieu."
7. "Ry malala, aoka hifankatia isika; fa avy amin’Andriamanitra ny fitiavana, ary izay rehetra tia no naterak’Andriamanitra sy mahalala an' Andriamanitra."
8. He that loveth not knoweth not God; for God is love.
8. Celui qui n`aime pas n`a pas connu Dieu, car Dieu est amour.
8. "Izay tsy tia dia tsy mba mahalala an’Andriamanitra; fa Andriamanitra dia fitiavana."
9. In this was manifested the love of God toward us, because that God sent his only begotten Son into the world, that we might live through him.
9. L`amour de Dieu a été manifesté envers nous en ce que Dieu a envoyé son Fils unique dans le monde, afin que nous vivions par lui.
9. Izao no nanehoana ny fitiavan’Andriamanitra antsika: satria Andriamanitra naniraka ny Zanany lahy tokana tamin’izao tontolo izao, mba hahavelona antsika amin’ny alalany.
10. Herein is love, not that we loved God, but that he loved us, and sent his Son to be the propitiation for our sins.
10. Et cet amour consiste, non point en ce que nous avons aimé Dieu, mais en ce qu`il nous a aimés et a envoyé son Fils comme victime expiatoire pour nos péchés.
10. Izao no fitiavana: tsy ny nitiavantsika an’Andriamanitra, fa ny nitiavany antsika, ka nirahany ny Zanany ho fanatitra fampiononampahatezerana noho ny fahotantsika.
11. Beloved, if God so loved us, we ought also to love one another.
11. Bien-aimés, si Dieu nous a ainsi aimés, nous devons aussi nous aimer les uns les autres.
11. Ry malala, raha izany no nitiavan’Andriamanitra antsika, dia mba tokony hifankatia kosa isika.
12. No man hath seen God at any time. If we love one another, God dwelleth in us, and his love is perfected in us.
12. "Personne n`a jamais vu Dieu; si nous nous aimons les uns les autres, Dieu demeure en nous, et son amour est parfait en nous."
12. Tsy mbola nisy olona nahita an’Andriamanitra na oviana na oviana. Raha mifankatia isika, dia mitoetra ato amintsika Andriamanitra, ary tanteraka ato amintsika ny fitiavany.
13. Hereby know we that we dwell in him, and he in us, because he hath given us of his Spirit.
13. Nous connaissons que nous demeurons en lui, et qu`il demeure en nous, en ce qu`il nous a donné de son Esprit.
13. "Izao no ahafantarantsika fa mitoetra ao aminy isika, ary Izy ato amintsika, satria efa nanomezany antsika ny Fanahiny;"
14. And we have seen and do testify that the Father sent the Son to be the Saviour of the world.
14. Et nous, nous avons vu et nous attestons que le Père a envoyé le Fils comme Sauveur du monde.
14. Ary efa nahita izahay ka manambara fa ny Ray efa naniraka ny Zanaka ho Mpamonjy izao tontolo izao.
15. Whosoever shall confess that Jesus is the Son of God, God dwelleth in him, and he in God.
15. Celui qui confessera que Jésus est le Fils de Dieu, Dieu demeure en lui, et lui en Dieu.
15. Na iza na iza hanaiky fa Zanak’Andriamanitra Jesosy, dia mitoetra ao aminy Andriamanitra, ary izy kosa ao amin’Andriamanitra.
16. And we have known and believed the love that God hath to us. God is love; and he that dwelleth in love dwelleth in God, and God in him.
16. "Et nous, nous avons connu l`amour que Dieu a pour nous, et nous y avons cru. Dieu est amour; et celui qui demeure dans l`amour demeure en Dieu, et Dieu demeure en lui."
16. "Ary isika efa nahalala sy nino ny fitiavan’Andriamanitra antsika. Andriamanitra dia fitiavana; ary izay mitoetra amin’ny fitiavana no mitoetra ao amin’Andriamanitra, ary Andriamanitra ao aminy."
17. Herein is our love made perfect, that we may have boldness in the day of judgment: because as he is, so are we in this world.
17. Tel il est, tels nous sommes aussi dans ce monde: c`est en cela que l`amour est parfait en nous, afin que nous ayons de l`assurance au jour du jugement.
17. "Izany no ahatanterahana ny fitiavantsika, mba hananantsika fahasahiana amin’ny andro fitsarana; fa tahaka Azy isika eo amin’izao tontolo izao."
18. There is no fear in love; but perfect love casteth out fear: because fear hath torment. He that feareth is not made perfect in love.
18. "La crainte n`est pas dans l`amour, mais l`amour parfait bannit la crainte; car la crainte suppose un châtiment, et celui qui craint n`est pas parfait dans l`amour."
18. "Tsy manan-tahotra ny fitiavana; fa ny fitiavana tanteraka mandroaka ny tahotra; fa mampahory ny tahotra. Fa izay matahotra dia tsy mbola tanteraka amin’ny fitiavana;"
19. We love him, because he first loved us.
19. Pour nous, nous l`aimons, parce qu`il nous a aimés le premier.
19. Tia Azy isika, satria Izy efa tia antsika taloha.
20. If a man say, I love God, and hateth his brother, he is a liar: for he that loveth not his brother whom he hath seen, how can he love God whom he hath not seen?
20. "Si quelqu`un dit: J`aime Dieu, et qu`il haïsse son frère, c`est un menteur; car celui qui n`aime pas son frère qu`il voit, comment peut-il aimer Dieu qu`il ne voit pas?"
20. "Raha misy manao hoe: Tia an’Andriamanitra aho, nefa mankahala ny rahalahiny, dia mpandainga izy; fa izay tsy tia ny rahalahiny izay hitany, ataony ahoana no fitia an’Andriamanitra izay tsy hitany?"
21. And this commandment have we from him, That he who loveth God love his brother also.
21. Et nous avons de lui ce commandement: que celui qui aime Dieu aime aussi son frère.
21. Ary izao no didy efa azontsika taminy: fa izay tia an’Andriamanitra dia tia ny rahalahiny koa.
<
>